Nanomboka ny volana Janoary 2007 ny fankalazana ny fitsingerenan'ny taonan'ny Clinique Médico-Chirurgicale Tanjombato, tamin'ny alalan'ny asa faobe ara-pahasalamana : maherin'ny zazalahy 150 teo anivon'ny Kaomina Tanjombato no nahazo anjara tao anatin'ny telo andro niompanan'ny hetsika. Anjaran'ny be antitra ny manaraka. 500 isa tamin'izy ireo no afaka nanao fizaham-pahasalamana maimaim-poana arak'izay ilainy azy.
Ny 27 Jolay 2007 no ivon'ny fankalazana, napetraka teo ambany fiahian'ny Minisitry ny fahasalamana Jean Louis Robinson, ary eo ambany fiadidian'ireo manam-pahefana maro nasaina.
Tao anatin'ny tapak'andro maraina no nanehoana an-tsary ireo rakitra rehetra nandrafetana ny Clinique, nanokanana ny takela-pahatsiarovana, narahan'ny kabary izay nialohavan'ny fitsidihana maro natao tao an-toerana.
Ny tapak'andro hariva indray no nifamotoan'ireo mpiara-miasa eoanivon'ny fitsaboana, ary dia samy naneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay tao anatin'ny famelabelaran-kevitra ny amin'ny fitsaboana izay iantsorohany avy.
Ny Clinique Tanjombato dia namarana ny fankalazana tamin'ny hetsika fizahana ny toe-pahasalaman'ireo ankizy madinika, narahan'ny fizarana ody kankana, nandritry ny tontolo andro manontolo.
Mahasahana tanteraka ny hopitaly iray manontolo ny toeram-pitsaboana. Manana ny lazany izy satria mahay mampivady fitaovam-piasana raitra sy ekipa medikaly mafonja. Ankatoavin'ny mponina eny Tanjombato ihany koa izy, noho ireo asa sosialy marobe ataony amin'ny sahirana.
Araka ny voalazan'ny Tale mpitantana, Andriamatoa RAKOTOARISOA Andriantsihoarana, dia mbola marobe ireo vina sy tanjona !!!!
Manentana ny hihaona aminao tsy ho ela, amin'ny 2017 ary izy, hanehoany indray aminao ireo zava-baovao vitany !!